Niaiky tokoa mantsy Rasoloelison Lanto, ministry ny rano sy ny angovo ary ny akoran’afo omaly fa tena nisy tokoa ny tsy nety tamin’ny famaritana ny vidin-jiro nataon’izy ireo, indrindra fa ho an’ireo olona mampiasa ilay tarif 16 nefa mandany latsaky ny 130 Kwh ka tsy maintsy hanaovana vidin-jiro vaovao.
Misy amin’izy ireo mantsy raha araka ny fanazavany no mandany hatrany amin’ny 70 Kwh isam-bolana ka lasa tratra ilay vidin-jiro 370 Ar isaky ny Kwh, vidin-jiro tokana izay nomarihiny fa hahazoan’ireo mampiasa jiro mihoatra ny 130 Kwh isam-bolana tombony be dia be. Hanomboka hijery sy hanara-maso ireo mpanjifa ireny araka izany ny orinasa JIRAMA amin’ity volana aprily ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaraha-maso ny compteur amin’ny volana mey raha amin’ny volana Jona kosa vao tena hivoaka ny vidin’ny fandanian-jiro tena lanin’izy ireny marina. Ny 40 %-n’ireo mpanjifa moa amin’ny ankapobeny no tena voakasik’izany raha mandany latsaky ny 25 Kwh isam-bolana kosa ny 55 %- n’ireo mpanjifa hafa amin’ny sarany 141 Ar isaky ny Kwh. Nanambara moa ny ministra fa havoakan’izy ireo tsy ho ela io vidin-jiro vaovao io mba ho fantatry ny besinimaro.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.