Fidangan’ny vidim-piainana

Tsy vitsy ireo tokantrano efa mizatra tsy mihinam-bary


  • Alakamisy 16 Janoary 2025

Ankoatran’ny hoe tsy mihinana in-3 isan’andro intsony dia efa tsy vitsy koa ankehitriny

ireo tokantrano malagasy efa mizatra tsy mihinam-bary intsony, izany hoe, manolo ny vary amina sakafo mbola zakan’ny fidiram-bolany nefa ahitana otrikaina mahasolo ny fihinanam-bary, raha ny fanadihadiana tamina tokantrano vitsivitsy eto an-drenivohitra. Amin’ny ankapobeny moa dia efa tafakatra 4000 Ariary izao ny kilaon’ny vary eny an-tsena. Ho tanteraka ihany ilay nambaran’ny filoham-pirenena hoe vary iray kilao ho an’olona miisa 5, hoy ny vazivazy zaritenany. Isan’ireo sakafo ahitàna otrikaina hafa no sady mahavoky, ohatra, raha ny fanazavàna, ireo mifototra amin’ny hanin-kotrana toy ny ovy sy voamanga. Eo ihany koa ireo karazana legioma sy voankazo somary matavy tahaka ny zavokà. Tena efa miha tsy zaka ny fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny ka aleo mitady vahaolana hafa, raha mbola azo atao, hoy hatrany ireo fanehoan-kevitra.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT