Fidangan’ny vidim-piainana

Tsy ampy hamidy laokan’ny ankohonana iray ny 10 000Ar…


  • Alarobia 16 Oktobra 2024

Tsy misy izay tsy mikolay ny isan-tokantrano ny amin’ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika Malagasy.

Manampy trotraka izany ny fidangan’ny vidim-piainana izay tena mampiteny ny moana tokoa. Tsy mahavita na inona na inona intsony mantsy ny 10.000 Ar hamidy laoka ho an’ny ankohonana iray misy olona 4 mianaka na dia te-hihinana tsaratsara aza. Efa mahatratra 5.000 Ar amin’izao ny fahefany amin’ny henom’omby eny an-tsena ho an’ireo karazany mba tsaratsara. Efa mahatratra 1500 Ar ihany koa ny iray kapoaka amin’ny tsaramaso lena koa raha mividy 2 kapoaka dia efa 2.000 Ar sisa ny ambim-bola. Ity farany indray no hifandroritana hividianana menaka sy voatabia ary tongolo miampy fanampina tsiro kely dia tapitra tanteraka. Tsy tafiditra ao anatin’izany ny saribao sy ny vary. Tsy mahavita ny ankohonana iray intsony noho izany amin’izao raha tsy 20.000 Ar nefa mbola mihafibe izany. Tsy maintsy tsinjaraina hividianana mofogasy kely sy kafe maraina ary vary sy saribao indray mantsy ny 10.000 Ar ambiny raha mbola hifampitadiavana ny ody ambavafon’ny mpianatra…. Raha fehezina dia zara raha miaina sisa ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy fa tena difotry ny fahasahiranana.
Pati
Legende : Zara raha mihinana hena fahefany sisa ny ankohonana iray rehefa mividy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT