FIDANGAN’NY VIDIM-PIAINANA

Tafakatra 500 Ar ny voatabia iray ao Mahajanga


  • Alarobia 24 Janoary 2024

Toy ny eto an-drenivohitra ihany dia midangana izaitsizy ihany koa ny vidim-piainana

ao Mahajanga ao. Ireo legioma sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro no tena mampitaraina fatratra ny mponina. Ho an’ny voatabia ohatra dia tafakatra 500 Ar ny singany iray. Efa mihoatra ny 3.000 Ar ihany koa ny iray kilao amin’ny ovy raha tsy mahazo anana intsony 300 Ar. Lasa 500 Ar ny fehezany kely hatao rony ka tsy ampy ho an’ny olona 3 mianaka marain-tsy hariva intsony raha tsy anana 2.000 Ar. Saika nahitana fiakaram-bidy avokoa ireo legioma rehetra tonga any an-toerana toy ny karaoty, ny arikaovera, raha tsy tazana eny an-tsena intsony ny kotomila sy ny tongolo maitso. Izay manam-bola ihany sisa no afaka mihinana legioma noho izany ao Mahajanga ao. Na izany aza mbola misy vary 900 Ar kosa ny iray kapoaka any an-toerana, vary avy any amin’ny Faritra Betsiboka. Ny menaka no efa mananika ny 10.000 Ar ny iray litatra anaty tavoahangy. Nahitana fiakarany 50 ka hatramin’ny 100 Ar isanisany ihany koa ny savony….Mangataka ny hijeren’ny tompon’andraikitra akaiky izao fidangan’ny vidim-piainana ao Mahajanga izao ireo mponina any an-toerana.
Nangonin’i Pati
Legende : Mamay ny vidina voatabia ao Mahajanga ao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT