Sosialy

Fidangan’ny vidim-piainana Misitri-belona ireo minisitera hafa…


  • Alakamisy 24 Martsa 2022

Tsy misy afa-tsy ny minisiteran’ny indostria sy ny varotra ary fanjifana hatreto no hita ho miseho rehefa miresaka ity fiakarana izay efa lasa fidanganan’ny vidim-piainana mihoam-pampana eto amin’ny firenena ity

hanazavana ny zava-misy. Ny talata 22 martsa teo iny izany izao ny minisitra, Edgard Razafindravahy, no nihaona tamin’ireo fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ary hita ho toy ny manangasanga foana ao anatin’izany ny vahaolana toa lojika sy zary mahazatra tamin’ireo mpitantana ity minisitera ity hatramin’izay dia ny famehezana ny vidin-javatra eny an-tsena izay matetika fototry ny fifanolanana eo amin’ireo mpisehatry ny famokara sy ny varotra amin’ny fanjakana foibe satria isan’ny voalaza ho fototr’olona ankoatran’ny fiakaran’ny vidin-tsolika, ohatra, ny faharatsian-dalana. Aiza ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo hamaha izany? Aiza koa ny minisiteran’ny asa vaventy? Mikaikaika izao ny mpiasa fa tsy mifanaraka amin’io fidangan’ny vidim-piainana io intsony ny fidiram-bolan’izy ireo isam-bolana, indrindra, ho an’ireo sehatra tsy miankina. Aiza ny vahaolana entin’ny minisiteran’ny asa sy ny fampananan’asa? Inona izany no tena mba ataon’ilay hoe minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana? Misy ve ny politikan’ny famokarana mifanaraka ny toe-tany sy toetr’andro iainana amin’izao fotoana izao sy mifanaraka ihany koa amin’ny zava-misy hatrehana eto amin’ity firenena ity? Tena ny minisiteran’ny indostria sy ny varotra ary fanjifana irery tokoa ve no tokony hamaha ity olana goavana ity no toa tsy hita ireo minisitera hafa heverina fa tokony ho voakasika anatin’izany ihany koa? Natao ho tehirizina anaty boky fotsiny ve izany ny tokony ho fisian’ny atao hoe komity tekinika iraisan’ireo minisitera maro voakasikana toe-draharaha iray izay efa nampiharina hatramin’ny taona 2015 sy navaozin’izao fitondrana izao?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT