Sosialy

Fidangan’ny vidim-piainana Hanao diabe hanairana ny mpitondra ihany koa ny MCI


  • Alakamisy 03 Mey 2018

Sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Ankoatra ny tsy fisian’ny fandriampahalemana dia miakatra isan’andro ny vidim-piainana. Vao tsy ela akory izay no niakatra indray ny vidin’ny siramamy sy ny menaka raha efa saika iainana isan’andro ny fiakaran’ny vidin’ny kojakoja madinika toy ny savony …

 

 Tafajoro ary nampahafantarina omaly teny Ambondrona ny fisian’ny  fikambanana hetsiky ny olom-pirenena manohitra ny fiakaran’ny vidim-piainana na ny MCI. Antom-pisian’izy ireo ny hiady ho an’ny vahoaka Malagasy manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana izay mampitaraina ny tsirairay avy isan’andro nefa ny karama tsy miakatra. Ny fiarahamonim-pirenena, ireo diaspora Malagasy avy any amin’ny Nosy manodidina, ny mpianatra avy eny amin’ny anjerimanontolo  sy any amin’ny faritra no mivondrona ao anatin’ny MCI, raha tsiahivina. Raha araka ny fantatra moa dia hanatanteraka diabe natao hanoherana ny vidim-piainana izy ireo ato ho ato hanairana ny mpitondra fanjakana. Nomarihan’ny MCI manokana moa fa  vokatry ny  fidangan’ny vidim-piainana iainan’ny  vahoaka ankehitriny no mahatonga ny olom-pirenena hanaraka ilay hetsika etsy amin’ny kianja 13 mey ankehitriny.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT