Sosialy

Fidangan’ny faktioran’ny JIRAMA Natsangana ny vovonana handray ireo mpanjifa


  • Zoma 19 Jona 2020

Taorian’ny fitarainan’ny olona marobe mikasika ny findangan’ny faktioran’ny JIRAMA raha oharina amin’ny teo aloha dia fantatra fa natsangana eo anivon’ity

 

 

 

 

orinasa iray ity ny vovonana hihaino sy handray ireo mpanjifa manana olana. Ireo olona miantso ireo tompon’andraikitra mandray ny antso ao amin’ny ivon-toerana miandraikitra ny mpanjifa no miandraikitra izany voalohany ary mandefa ilay mpanjifa any amin’io vovonana io. Misy ny fifampidinihina eo amin’ny roa tonta mandritra izany ka hitondran’ny an-daniny ny maharary azy raha miezaka manazava ihany koa ny an-kilany ao anatin’izany. Tsiahivina moa fa ny laharana 3547 no hahafahana mifandray mivantana amin’ireo tompon’andraikitra misahana ny mpanjifa eo anivon’ny JIRAMA raha toa ka misy ny olana. Ankoatra ny fidangan’ny faktiora dia azo hatao tsara ny miantso azy ireo mikasika ny jiro tapaka na ny rano vaky any amin’ny toerana ahitana izany mba hahafahana mitady vahaolana haingana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT