Sosialy

Fidangan'ny vidim-piainana Miankina amin-javatra maro, hoy dokotera Fidy


  • Alakamisy 21 Jolay 2022

Nitondra fanazavana mikasika ny fiakaran'ny vidim-piainana ankehitriny dokotera Fidy Bariniaina izay marihina fa Ben'ny tanana no sady mpitandrina ihany koa.

Nambarany fa miankina amin-javatra maro izany. Boribory ny tany hoy izy. Ny olona mitombo, misy hatrany ny teraka. Ny tany anefa hoy izy mihatery hany ka mihavitsy ny zavatra ilaina. Miharipaka ny ala, miharitra ny sakafo, mihena ny tany azo volena, mitombo ny tahan'ny tsy an'asa,...Mamaritra izany ihany koa hoy izy ny lalanan'ny tolotra sy ny tinady izany hoy izy. Rehefa fararano ka mitobaka eny an-tsena ny vary dia mora ny vidiny. Rehefa maintso ahitra kosa dia vitsy ny vokatra miakatra hany ka midangana ho azy ny vidiny eny an-tsena. Rehefa mitombo ny isan'ny olona hoy hatrany izy dia mihena ny zavatra azo jifaina.
COVID-19
Misy fiantraikany amin'izao fidangan'ny vidim-piainana iainantsika izao ihany koa hoy izy ny fisian'ny valan'aretina Covid 19. Tamin'ny volana desambra taona 2019 hoy izy dia namono olona an'aliny isan'andro izany tany Eoropa. Ireo olon-dehibe tena niasa sy namokatra hoy izy no maro namoy ny ainy tamin'izany. Nisy ihany koa ilay fihibohana nampihena ny fivezivezena hoy hatrany dokotera Fidy ka tsy nahafahana namokatra hany ka nihena avokoa ireo kojakoja tokony hojifaina maneran-tany.
TOKONY HANDAMIN-TSAINA
Manampy trotraka izany hoy hatrany dokotera Fidy ny ady any Ukraine izay hifanandrinan'izy sy Rosia. Na izany aza hoy hatrany dokotera Fidy dia tokony samy hahay handamin-tsaina ny rehetra. Tokony hahay hisaotra amin'ny zavatra rehetra ny tsirairay hoy hatrany izy amin'ny alalan'ilay toe-tsaina mahay manaiky ny zava-misy. Lalana iray hahafahana mampionona ny fo mantsy izany hoy izy hahazoana fahasalamana ialana amin'ny tebiteby sy ny rarin-tsaina.
Pati
Legende : Dokotera Fidy Bariniaina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT