Sosialy

Fibodoana tanin`olona any Toliara Tompon’andraikitra tamin`ny FAT voarohirohy


  • Alatsinainy 24 Febroary 2020

Miverina indray ilay raharaha hala-tany izay mahavoarohirohy tompon’andraikitra ambony iray tamin`ny tetezamita.

 

Antontan-taratasy sy sonia hosoka no nampiasainy nentina nilazana fa azy ny tany. Tany iray natao antoka tamin`ny banky (hypothèque) tany Toliara no niantombohan`ilay resaka. Afa-trosa (levee) ny taona 1999 ka nahazo ny taratasy ara-dalàna ireo tompon-tany. Efa niakatra fitsarana io raharaha io ka resy ilay tompon’andraki-panjakana ambony noho izy tsy manana antontan-taratasy mazava. Nalefa ihany koa teny anivon`ny BIANCO ny raharaha satria feno hosoka sady anjakan`ny  kolikoly ny taratasy rehetra nampiasaina : sonia hosoka, taratasy hosoka miaraka amin`ny firaisan-tsikombakomban`ny mpiasan`ny  fananan-tany ao Toliara. Amin`izao fotoana izao na dia mbola mandeha eny anivon`ny fitsarana ny raharaha dia milaza ny an-kilany fa azy ny tany. Ho fantatra mialohan`ny 26 febroary izao ny momba izany na dia efa resy teny amin`ny fitsarana ambaratongo voalohany aza ilay tompon’andraiktra ambony. Efa mampiely feo sahady izy fa rehefa mivoaka ny didy dia handresy izy. Misy hatrany ny fanaovana ramatahora amin`ireo mpiambina ilay tany. Milaza tsy hanaiky izay didy hivoaka kosa ireo tena tompon'ny tany. Marihana fa efa tamin`ny taona 1956 no namidin`ny tompony io tany io fa ny volana jolay 2018 ity olona ity vao nilaza fa azy. Tsara ny manamarika fa ny vadin-tany any Toliara dia tsy nisy sahy niditra amin`ity raharaha ity noho ny fandrahonana nahazo azy ireo fa voatery naka vadin-tany avy aty Antananarivo.

Ao amin`ny fehezan-dalàna famaizana na “code penale » dia faux et usage de faux no ilazana ny fanaovana ny hosoka. Ny sazy ho an`ny halatra sonian`olona dia mety mampigadra enim-bolana hatramin`ny roa taona. Miankina amin`ny vesatry ny raharaha fa mampigadra hatramin`ny dimy taona mihitsy.

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT