FIATREHANA NY

VIDIM-PIAINANA MIAKATRA


  • Zoma 21 Aogositra 2026

Tsy ampy ny karama, mila fepetra iarovana ny sosialim-bahoaka

Mbola isan’ireo olana lehibe mampanahy ny mponina amin’izao fotoana izao ny fiakaran’ny vidim-piainana. Raha samy mampanahy ny asa sy ny vidim-piainana, dia hita tamin’ny resadresaka nifanaovana tamin’izy ireo fa ny fiakaran’ny vidim-piainana no tena tsapan’ny maro sy mavesatra amin’ny fiainana andavanandro. Anisan’ireo entana tena ilaina nahitana fiakaran’ny vidiny arina fandrehitra sy ny vary araka ny nambaran’ireo olona nanontaniana. Ireo no isan’ny zavatra tsy afa-misaraka amin’ny fiainana andavanandro ka rehefa miakatra ny vidiny dia voatery misy fiantraikany mivantana amin’ny tetibolan-tokantrano. 400 000 ARIARY Manoloana izany, maro amin’ireo olom-pirenena no mihevitra fa ilaina ny fampiakarana ny karama, mba hifanaraka kokoa amin’ny zava-misy iainan’ny mpiasa. Ao anatin’ireo soso-kevitra navoitra dia ny fametrahana karama farany ambany manodidina ny 400 000 Ariary, izay heverina fa hanampy ny mpiasa hiatrika ireo fandaniana fototra sy hividy ireo entana tena ilaina amin’ny fiainana andavanandro.

FIANTRAIKANY AMIN’NY FIAINANA
Tsy ny sakafo ihany anefa no voakasiky ny fiakaran’ny vidim-piainana. Voatery mampihena na manajanona tanteraka ny fandaniana amin’ny fialamboly sy ireo zavatra heverina fa tsy tena ilaina ihany koa ny olona sasany. Lasa mifantoka bebe kokoa amin’ny zavatra fototra ilain’ny ankohonana ny vola miditra.Misy fiantraikany amin’ny sakafo ihany koa izany. Anisan’ny fomba fiatrehana ny fahasahiranana ny fampihenana ny habetsahan’ny vary arotsaka ao an-tokantrano, mba hahafahana mitsitsy sy mizaka ny fandaniana hafa tsy maintsy atao. Manoloana izao zava-misy izao, mitaky ny fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana ireo olom-pirenena. Antsoina ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky ny sosialim-bahoaka, indrindra ny lafiny karama sy ny vidin’entana, ary handray fepetra hahafahana mifehy ny fiakaran’ny vidim-piainana.


Ny fanontaniana mipetraka amin’ny maro ankehitriny dia ny hoe : Inona avy ireo fepetra horaisin’ny tompon’andraikitra mba hahafahan’ny tokantrano miatrika ny fiakaran’ny vidim-piainana ? Ho an’ny olom-pirenena, mazava ny hafatra: mila fepetra mivaingana ny fiakaran’ny vidim-piainana, ary tokony hifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny mponina ny karama sy ny vidin’ireo entana tena ilaina.
Nomena Narindra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT