Sosialy

Fiatrehana ny loza voajanahary Hanome 50 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena


  • Alatsinainy 02 Desambra 2019

Hotontosaina amin’ity volana desambra ity ny famoaham-bola 50 tapitrisa dolara avy amin’ny banky iraisam-pirenena, izay tohana ara-bola ho an’i Madagasikara.

 

 

 

Natokana manokana ho an’ny fiatrehana ny loza voajanahary sy ny hamehana ara-pahasalamana mety hitranga io. Eo ihany koa ny fametrahana ny fenitra nasionaly amin’ny fananganana fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny toe-javatra ara-boajanahary mety hiseho. Efa nofaritana tamin’ny filankevitry ny minisitra tany amin’ny volana oktobra io fenitra tsy maintsy arahina. Heverina izany ny hisian’ny fanampiana isan-karazany ara-tsosialy, ary mety hisy fananganana fotodrafitrasa handeha ihany koa, izay vokatry ny tohana avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra amin’ny alalan’ny Banky Iraisam-pirenena. Irariana mba tonga sy ho voatsinjara amin’ireo tena mila izany, ary tsy ho lasa fitaovana politika, toy ny efa fahita matetika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT