Sosialy

Fiatrehana ny loza sy tandindon-doza Vonona ny BNGRC


  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Toy ny fanaony isan-taona dia nitondra fanampiana ara-pitaovana ho an’ny biraom-pirenena misahana ny loza sy tandindon-doza eto amintsika na ny BNGRC tetsy

 

Antanimora indray ny talata teo ny firenena Sinoa tamin’ny alalan’ny ambasadaorony miasa eto amintsika. Lamba firakotra miisa 787 moa ireto natolotra ho isan’ny famonjena traboina ireto, raha ny fanazavana, ary mitentina hatrany amin’ny 50 tapitrisa ariary any ho any. Notsiahivina moa fa tamin’ny taon-dasa dia tranolay sy vary misy proteinina no natolotr’ity firenen-dehibe ity. Mikasika izay resaka fiatrehana ny loza sy tandindon-doza izay hatrany dia nilaza ny avy eo anivon’ny BNGRC fa  vonona tanteraka ankehitriny. Efa nahazo fitaovana izay tokony nomena izany, hoy ny fanazavana, ary efa nifampizarana traikefa ihany koa izay tokony nizarana izany. Efa misy moa ny magazay voatokana hitehirizana ireto entana ireto eny Iavoloha ary mazava ho azy fa avoaka amin’ny fotoana ilana azy izany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT