Nisy ny hetsika fanangonana tolo-tànana hoenti-manampy ny mponina any
Atsimo nataon’ny Jeune TIM tetsy amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo. Tonga teny an-toerana nandray anjara tamin’izany ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Navoitrany nandritra io fotoana io ny fahadisoan’ny paikadin’ny Fanjakana. Tsy azo atao ny hoe ianao no maka ny an-toerana, fa ilay olona no ampiana. Ianao no mikaroka sy manao ezaka rehetra amin’ny mpanampy hoe: izao ny zava-misy ka jereo i Madagasikara, hoy izy. Hoentina amin’ny SADC aloha, ary ireo no mijery ny zava-misy, miakatra amin’ny iraisam-pirenena fa tsy mitsambikina fotsiny. Ilaina ny fampiasana ny serasera matanjaka, tahaka ny nataon’i Ethiopie. Tsy maintsy atao matanjaka tsara ny serasera hoe: izahay aty Madagasikara dia tratry ny Kere. Mafy be ny paikadin’ny Etiopianina teo anatrehan’ny kere nahazo ity firenena ity, dia nahazo fanampiana be, fa ny antsika mitamatama, hoy i Marc Ravalomanana. Nohazavainy ihany koa fa sy vitan’ny “bilateral” amina firenena roa, fa ao anatin’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena no mila hanampiana an’i Madagasikara, ka vao mitamatama ny mpangataka dia lasan’ny sasany satria maro ny firenena mitady fanampiana amin’izao fotoana izao. Mila fandrindrana, ary ny olona na omena ilay sakafo aza izy, ka tsy mahay manome dia lasa zavatra hafa. Mila fandanjalanjana ka izay no ilàna ireo matihanina, hoy ny Filoha teo aloha. Tsy mbola nahita an’io kere ianareo fony isika niaraka satria nakana fitaovana avy any Malawi izy io, hoy i Marc Ravalomanana nampahatsiahy ny vanim-potoana nitondrany ny firenena. Nakana sorgo na apemba, ka vao milatsaka ny orana dia maniry be, raha ny nambarany. Karazan’ny nanoro sy nanome lesona ho an’ny Fitondrana i Marc Ravalomanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.