Sosialy

Fiatrehana ny fotoam-pahavaratra Vonona tanteraka APIPA


  • Zoma 04 Janoary 2019

Vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra ny APIPA, raha araka ny fanazavan’ny tale jeneraliny Rateloson Philippe.

 

 

 

 

Fahombiazana ho azy ireo tokoa mantsy iny taona 2018 efa nivalona iny satria dia tapitra nanaovana asa avokoa ireo vola teo am-pelatanan’izy ireo ka tsy misy intsony ny ahiana. Betsaka ireo fotodrafitrasa vita raha ny fanazavany omaly. Anisan’ireny ny fanamboarana ny tohodrano tao anatin’ny distrikan’ Antananarivo Atsimondrano, ny teny Ampangabe raha voakasika, ny teny Alasora. Manginy fotsiny ny asa fanadiovana fanao amin’ny andavanandro. Vao mainka hohamafisina ny asa vitan’ny APIPA amin’ity taona 2019 ity, hisorohana ny tundra-drano eto amin’ny Faritra Analamanga. Hojerena manokana, hoy ny tale jeneraliny ireo fefiloha hita fa marefo ka anisan’izany ny ao Soavina izay vaky matetika. Arahi-maso akaiky ihany koa ny fikojakojana ireo vanona. Ho an’ny station de pompage etsy Ambodimita manokana dia fantatra fa efa vita tanteraka ny asa fikarakarana ary efa vonona handray ny rano manerana ny tanànan’Antananarivo, Faritra Analamanga izy io. Anisan’ny antom-pisiany moa ny hiaro ny fiakaran’ny rano amin’ireo renirano lehibe eto amintsika toa an’i Ikopa, Sisaony…Tsiahivina fa amin’ny 15 aprily any vao hifarana tanteraka ny fotoam-pahavaratra raha efa ao anatiny tanteraka isika ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT