Sosialy

Fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra Hanampy ireo ray aman-dreny ny CISCO Tana Ville


  • Alatsinainy 16 Septambra 2019

Mifanakaiky loatra ny fotoam-pialantsasatra lehibe sy ny fidiran’ny mpianatra tamin’ity taona 2019 ity.

 

 

 Iray volana monja raha betsaka no fotoana nahafahan’ny ray aman-dreny niomana, ka tsy vitsy ireo kivy sy mitaraina. Vonona ny hanamaivana izany ny eo anivon’ny Fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra tarihin-dRamananantony Lalaina. Nihaona sy nitafa tamin’ny mpanao gazety izy sy ireo mpiara-miasa aminy ny faran’ny herinandro teo ary fantatra fa hikarakara varavarana misokatra hihaonana mivantana amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Ny 09 ka hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao no hanatanterahany izany ka tranoheva  am-polony no handray anjara, izay handraisan’ireo sekoly tsy miankina anjara ihany koa. Tanjon’ireo mpikarakara ny hisian’ny fifanakalozana eo amin’izy ireo sy ny ray aman-dreny ao anatin’ilay antsoina hoe : sekolin’ny ray aman-dreny. Lohalaharana ny fanatsarana ny fanabeazana sy ny fitaizana ny mpianatra, ny fampiharana ny fitsipi-pifehezana…. Hisy ireo karazana kilalaon-tsaina maro samihafa hanitarana sy hampivelarana ny sain’ny ankizy.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT