Sosialy

Fiatrehana ny fahavaratra Hohamafisina ny fampiasana Drône


  • Talata 14 Aogositra 2018

Notontosaina omaly tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo ny atrikasa Iraisampirenena ho fanamafisana ny fampiasana ireo voangorivy na « Drône »

 

 irony hiatrehana ny vanim-potoanan’ny fahavaratra eto amintsika ho amin’ity taona 2018 sy 2019 ity. Araka ny fanazavana dia misy teknisianina avy any ivelany ihany koa niara-niatrika izay asa tetsy Andrainarivo izay toa an-dry zareo avy any Roma. Ny biraom-pirenena misahana ny fitantanana ny loza sy tandindon-doza na BNGRC moa no hampiasa ireo Drône efa azo nanomboka ny taona 2016 ireo. 3 ireo Drône efa nomen’ny Unicef teo aloha ary mbola mampanantena fanampiny ihany koa ny programan’asa misahana ny fanjarian-tsakafo iraisampirenena na ny PAM. Manana ny fetrany ireo voangorivy efa eo an-tanana, hoy ny fanazavana, fa ireo vao azo kosa anefa dia mbola manana herijika matanjaka kokoa. Manafaingana asa kokoa, raha ny voambara hatrany, ny fampiasana azy ireny satria ho mora ny mahita ireo toerana ahiana hisy loza sy ny fomba famonjena ireo efa tra-doza.

 

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT