Sosialy

Fiatrehana ny fahavaratra Hampiasa drône ny BNGRC


  • Alatsinainy 18 Jolay 2022

Ao anatin'ny fiomanana sahady amin'ny fotoam-pahavaratra taona 2022-2023 isika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao.

Mampitombo an'ireo fahaiza-manaony sy traikefany mba hahafahana miomana amin'ny fiatrehana izany ireo ekipa eto anivon'ny BNGRC sy ireo mpiara-miombon'antoka maro samihafa ahitana ny PAM, ny UNICEF Madagascar , ny UNFPA Madagascar , ny OCHA, ny CARE International Madagascar ary ny ACM. Tafiditra ao anatin’izany fiomanana izany ny fampitomboana ny traikefa izay efa hananan’ny ekipa amin'ny fanamoriana drône, izay hampiasaina amin'ny lafiny maro. Anisan’ireny ny fakana sary ireo toerana ahiana hitera-doza, ny fampihenana ny loza mety hitranga, ny fikarohana ireo olona tsy hita taorian'ny fandalovan'ny loza ary ny fitateran’entana izay tena ilaina maika anaty hamehana. Ny fanafody ohatra….Natao io fanamafisana ny fahaiza-manao io izay naharitra 5 andro mba hahafahana manatsara hatrany ny fomba hiatrehana ny loza. Tao ambonivohitr'Antsirabe moa no nanatanterahana izany raha natao tamin’io fotoana io ihany koa ny fanavaozana ny « Termes de référence » izay mifanaraka amin'izany.Ny tanjona moa dia ny mba hahatonga ireo mpanamory rehetra ho eo amin'ny sehatra matihanina ka hahay hamaritra sarintany mivelatra sy mazava kokoa amin'ny alalan'ny fampiasana drone. Ny tanjona manokana kosa ny hampisehoana ny vina, ny zavatra andrasana ary ny filan'ny mpikambana tsirairay ao anatin'ny SGD na ny Sous-groupe Drône.Ankoatra izay dia nampifanarahana ny paikadin'ny SGD amin'ny laharam-pahamehana ara-programa sy fampandehanan-draharahan'ny mpikambana rehetra ao anatiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Nianatra namory drône tahaka izao avokoa ireo mpizaika

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT