Sosialy

Fiatrehana loza sy tandindon-doza Hiara-kiasa ny sivily sy ny mpitandro ny filaminana


  • Alakamisy 13 Desambra 2018

Nifarana omaly alarobia 12 desambra tetsy Antanimora ny atrikasa fampiofanana ireo sivily sy mpitandro ny filaminana entin’izy ireo miara-miatrika ny fanampiana ny mpiara-belona amin’ny fiatrehana ny loza sy tandindon-doza eto Madagasikara.

 

Ny fandrindrana izay fiaraha-miasa izay, raha ny fanazavan’ny tale misahana ny fiofanana eo anivon’ny BNGRC, John Razafimandimby, no tena hifantohan’ity atrikasa 2 andro ity. Efa fantatsika, hoy izy, fa misahana ny lafitany rehetra ambanivohitra sy an-drenivohitra ny mpitandro ny filaminana. Ireo sivily izay manatrika ny fiofanana kosa dia saika misolotena ireo rantsana na “secteur” rehetra misy. Manodidina ny 40 isa kosa ireo nahazo tombony tamin’ity fampiofanana ity, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT