Sosialy

Fiarovana sy fanajana zo Nampita hafatra ho an’ireo mpitondra fanjakana ny ankizy madinika


  • Alatsinainy 21 Novambra 2022

Mbola tena ambany sy tsy manan-danja mihitsy ny fiarovana ny zon’ny ankizy ho antsika eto Madagasikara. Nampita hafatra mavesatra ho an’ny Fitondram-panjakana araka izany ireo ankizy mpanankato manana ny maha-izy azy eto

amintsika omaly tetsy amin’ny kianjan’ny Kanto Mahamasina. Anisan’izany ry Christian kely tao amin’ny Pazzapa. Ireo ankizy mpikambana ao amin’ny PFSCE na ny Plateforme de la société civile pour l’enfance. Manodidina ny 1000 teo ho eo ireo ankizy tonga nanotrona sy naneho ny fahaiza-manaony tamin’izany ka nisy ireo nanao tantara antsangana, nisy ireo dihy, nisy ny nanao Slam. Nivoitra nandritra izany ny fitakian’izy ireo mikasika ny fampiharana ilay fifanarahana iraisam-pirenena nataon’i Madagasikara sonia momba ny fanajana ny zon’ny ankizy, 30 taona lasa izay. Hatreto mantsy hoy Raholiariseheno Nicole, mpandrindra nasionalin’ity vovonana ity dia mbola tsy hita taratra tsara mihitsy ny fampiharana izany. Manaporofo izany hoy izy ny fisian’ilay zazalahy kely vao 6 taona monja maty naolana tany Morondava izay mifanohitra tanteraka amin’ny fanajana ny zon’ny ankizy no sady fanaovana tsinontsinona ny zon’olombelona ihany koa. Manginy fotsiny hoy izy ny herisetra, ny fanajana ireo karazana soa toavina misy ka tsy maintsy hampandeferana hatrany ny ankizy manoloana ny baikon’ireo olobe…. Nankalazaina omaly alahady 20 novambra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny ankizy.
Pati
Legende : Raholiariseheno Nicole, mpampindra nasionalin’ny vovonana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT