Sosialy

Fiarovana ny zon'ny mpanjifa Maro ny zavatra tokony ho fantatra


  • Alarobia 29 Desambra 2021

Samy manana ny anjara andraikitra tandrify azy eo amin'ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana (MICC), ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka

 amin'ny alalan'ny ACSQDA (Agence de Contrôle de la Sécurité Sanitaire et de la Qualité des Denrées Alimentaires), ny mpandraharaha ara-barotra rehetra ary koa ny mpanjifa. Misy noho izany ny fampahafantarana izany, ka ho an’ny MICC dia rafitra mahefa amin’ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa, manara-maso ny kalitao sy ny fenitr’ireo entana amidy eny an-tsena ary mandray ny fepetra rehetra ilaina (Fanagiazana ireo entana, fanasaziana ireo mpivarotra, fandorana ny entana). Miara-miasa akaiky amin’ny ACSQDA eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny « contre-analyse » amin’ireo entana mampiahiahy. Misy ihany koa ny andraikitry ny mpivarotra amin’ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa. Malalaka ny fandraharahana eto Madagasikara rehefa mahafeno ny fepetra takian’ny lalàna ny mpivarotra (patente, RCS,…) saingy tsy maintsy hajainy ny zon’ny mpanjifa. Tokony hanana « certificat de consommabilité » sy « autorisation de mise sur le marché » ny mpanafatra eentana sy ny mpamokatra eto an-toerana. Tokony hajaina ihany koa ny fenitra fitehirizan’entana mba tsy hanova ny kalitaon’ny ntana jifain’ny mpanjifa eny an-toerana. Manana andraikitra ihhany koa ny mpanjifa amin’ny fiarovana ny zony, ka lehibe indrindra ny fihetsika alohan’ny hanjifana : manjifa entana tsy atahorana hampidi-doza amin’ny fahasalamana (date d’expiration, étiquetage, qualité, sécurité, santé,…). Mila mijery tsara ny etiketin’ny zava-pihinana na fisotro efa voafono,… Afaka miantso ny laharana 034 30 818 34 na manantona ny varavaran’ny MICC laharana faha-107 rahana misy mampiahiahy, hoy ny toromarika.
Toky R
Sary fanehoana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT