Sosialy

Fiarovana ny tontolo iainana ao Atsinanana Hatao vaindohan-draharaha ny fambolen-kazo


  • Alatsinainy 06 Janoary 2020

Nohamafisin’ny fiadidiana ny Ministeran’ny tontolo iainana ao amin’ny faritra Atsinanana fa manao ho vaindohan-draharaha ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny fampiroboroboana ny fambolen-kazo ny minisitera mba ho famerenana an’ny Madagasikara ho rakotr’ala.

 

 

Lohahevitra amin’ity taona ity mihitsy io, hoy ny fanazavana. Ho an’ny DREDD Atsinanana izay dia efa vonona tanteraka ny amin’ny fihatrehana izany izy ireo, hoy ny talem-paritra, Tezena Lionel Armando. Efa vonona ny zanakazo ho volena izay efa miandry fotsiny ao amin’ny toeram-pambolen-janakazo ao Toamasina. Ny taona 2019 dia zanakazo maha enika velaran-tany 2250 ha tamin’ireo 3000 ha  no efa vita ary niarahana niasa tamin’ireo kaominina sy vondron’olona ifotony mandrafitra ny Faritra Atsinanana . Manomboka amin’ity taona vaovao ity dia paikady vaovao no entin’ny ministera ka isan’izany ny ao atsinanana izay efa nametrahana lamina maty paika hoy hatrany ity tale ity. Ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana dia ho entitra ihany koa ny fiarovana ireo zavaboary hafa toy ny biby sy ny doro tanety ary ny tavy. Akoatra ny asa tanterahina eo amin’ny fanajariana sy ny fiarovana ny tontolo iainana dia nohezahina ihany koa ny fanavaozana ny anatin’ny toeram-piasana, hoy hatrany ny fanazavana , ka isan’izany ny fanitarana ny toeram-piasana sy ny fanavaozana ireo toerana nampijaly ny mpiasa hatramin’izay sy ny fandraisana ireo mila raharaha. Teo koa ny fanamboarana ny toerana natokana ho an’ny ivon-toerana famadihana ny fako ho tonga zavatra ilaina an-davan’andro.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT