Fiarovana

ny mpanjifa


  • Zoma 02 Oktobra 2026

Entana lany daty 2 taonina

nodorana omaly tao Antsohihy
Ho ambohipihaonana ao Antsohihy renivohitry ny Faritra Sofia amin'ity volana ity. Hanomboka any ny fankalazana manetriketrika ny 14 oktobra, Fetin'ny Repoblika. Maro ny olona mivezivezy any an-toerana manomana izany Fety lehibe izany, ary ho Vahoaka sesehena amin'ny andron'ny 14 oktobra, ary mpanjifa avokoa izy ireo. Andraikitra iombonana ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka koa aleo misoroka toy izay mitsabo. Nisy fanarahan-maso ireo entana amidy indrindra ny sakafo amin'ireo toeram-pivarotana tao an-toerana nataon'ny ekipan'ny Fitaleavam-paritra momba ny Varotra sy ny Fanjifana ao amin'ny Faritra Sofia. Nandritra izany no nahitana entana lany daty sy tsy manaraka fenitra milanja 2 taonina eo ho eo, mitetim-bidy eo amin'ny 22 tapitrisa Ariary. Noraofina ary nodorana tao amin'ny toerana famotehana entana ao Bekitrobaka, Antsohihy, omaly Alakamisy 01 Oktobra 2026 ireo. Nandray anjara tamin'ny fanatanterahana izany ny solontenan'ny Kaominina, ny sampan-draharahan'ny Fahasalamana ary ireo tompon'andraikitra misahana ny Varotra sy ny Fanjifana, izay samy manamafy ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny fahasalaman'ny mpanjifa. Saika vokatra ara-tsakafo sy entana fampiasa andavanandro izay efa nihoatra ny daty farany azo ampiasana azy ireo entana ireo, hita tao Antsohihy sy ny manodidina. Misy ihany koa anefa ireo entana izay natolotry ny mpandraharaha an-tsitrapo, rehefa nahatsikaritra fa efa nihoatra ny daty tokony hampiasana na hamidy azy.
Jean D.
Ireo entana lany daty nodorana tany Antsohihy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

Hijery ny tohiny
FTT