FIAROVANA NY

FAHASALAM-BAHOAKA


  • Talata 05 Mey 2026

Entana lany daty marobe nodorana tao Toliara

Entana efa llany daty marobe no nodoran’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny fanjfana ao Atsimo Andrefana tao amin'ny trano fitehirizan'entana tao Andabizy Toliara ny faran'ny herinandro teo. Ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy ny zon’ny mpanjifa no anton'izany. Isan’ireo entana tsy maintsy nodorana tamin’izany ny bisky, sokolà amin'ny boaty, ny fromazy, ny vatomamy, ny paty, ny maionezy, ny ranom-boankazo, eny hatramin’ny kojakoja fidiovana ho an'ny vehivavy toy ny serviettes hygiéniques. Tanjona tamin'izao hetsika izao ny hanadiovana ny tsena sy hiarovana ny vahoaka amin'ny gaboraraka ara-barotra. Tsiahivina moa fa maro amin'ireo entana ireo no mahafaty avy hatrany toy ny maionezy ka ilana fitandremana.
Nangonin'i Pati
Légende : Nodorana tahaka izao ireo entana lany daty ireo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT