Sosialy

Fiarovana amin’ny fidiran’ny Coronavirus Naato ny zotra Antananarivo-Gouangzhou


  • Zoma 31 Janoary 2020

Noho ny fivoaran’ilay areti-mandoza Coronavirus any Chine sy handraisana fepetra amin’ny fiaroavana izany tsy hiditra eto

 

 

Madagasikara, dia nanapa-kevitra ny hanatsahatra vonjimaika ny sidina mampifandray an’i Guangzhou ny Kaompania Air Madagascar na ny mivoaka io na ny miditra. Manomboka rahampitso 1 febroary hatramin’ny 1 martsa 2020 izao io fanatsaharana io. Tafakatra 170 ireo namoy ny ainy any Chine, raha ny antontan’isa farany voaray omaly. Noho izany dia nandray fepetra ho an’ireo efa nividy tapakila famandrihana hanova ny daty tsy arahina sandany na sazy na fanonerana manontolo ny vidin’ny tapakila ny Air Madagascar. Ny fitandroana sy ny fiarovana ireo mpandeha sy ireo mpanamory sy ny ekipazy miaraka aminy no zava-dehibe voalohany, ka nandraisana izao fepetra izao. Misy ihany koa ny fanarahana akaiky zava-misy sy ny fifandraisana tsy tapaka amin’ny manam-pahefana mahefa voakasika. Hisy ny fampahafantarana havoaka raha misy ny toromarika vaovao mifandraika amin’ny zava-misy. Hatramin’ireo firenena vaventy heverina fa matanjaka ara-piarovana aza tafiditr’ity aretina ity amin’izao fotoana izao, tahaka an’i Frantsa, Allemagne,…

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT