Sosialy

Fiarahamonina Voailika ireo ankizy mivadi-tongotra


  • Zoma 07 Jona 2019

Ny fikambanana Miracle feet sy ireo mpiara-miombon’antoka tahaka ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny Fondation Telma no nifandrimbona tamin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny mivadi-tongotra tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy.

 

 Nisy ny fifanakalozana sy ny fijoroana vavolombelona ary ny fampahafantarana ireo hopitaly rehetra eto Madagasikara miasa ho amin’ny ady amin’ny fivadihan-tongotra. Nivoitra tamin’izany fa noho ny fahantran’ny Malagasy dia matetika tsy voatsabo ary tsy voakarakara mihitsy ireo ankizy mivadi-tongotra. Voailika sy avahana mihitsy izy ireo ary hita ho tsy miaina tsara tahaka ny ankizy rehetra na any am-pianarana na eny amin’ny fiarahamonina misy azy. Izany rehetra izany no anton’ny fiaraha-miasan’ny Miracle feet sy ny Fondation Telma mba hanatsarana ny fitsaboana io tsy fahatomombanana ara-batana misy io.  Anisan’izany ohatra ny fametrahana ilay fitsaboana atao hoe Ponsenti izay iandraketan’izy ireo tanteraka ary efa hita eny amin’ny hopitalim-bahoaka rehetra eny. Tanjona ny hananan’ireo ankizy marary ireo ny fahasitranana ary ny fiainana tahaka ny rehetra ka hahatsiaro tena tsy ho vesatra sy ho voailika eo amin’ny fiarahamonina intsony.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT