Sosialy

Fiarahamonina Tafaroboka amin'ny fisotroan-toaka ny ankamaroan'ny Malagasy


  • Alakamisy 20 Aprily 2023

Manodidina ny 10% ireo olona 20 ka hatramin’ny 65 taona misedra olana amin’ny alikaola eto Madagasikara.

Efa mahazo vahana tanteraka indrindra amin’ireo tanora eto amin’ny firenena izany, indrindra ny eto ampovoan-tany, eto Antananarivo. Io 10% no tafiditra latsaka anaty fiankinan-doha amin’ny alikaola, raha araka ny fikarohana sy fanadihadiana natao. Hita fa aloha kokoa anefa ny firosoana amin’ny fisotroana zava-pisotro misy alikoaola, raha jerena amin’ny mari-drefy. Misy mihitsy aza ireo mbola tsy ampy taona izay manodidina ny 14 ka hatramin’ny 15 taona efa niaina sy mahatsapa ny atao hoe mamo. Raha ny mahakasika an’ireo efa lehibe ao anatin’io 20 taona ka hatramin’ny 65 taona io, 31% no nanamafy fa nandray zava-mahamamo voalohany teo amin’ny faha-15 taonany ka hatramin’ny faha 18 taonany, 2% ny manodidina ny 12 sy 15 taona ary 66% ny taorinan’ny faha 18 taonany. Raha ny mahakasika ny taham-pisotroana kosa, 8% no milaza fa misotro foana ary 9% ny misotro indray mandeha isan-kerinandro. 20% hoan’ireo misotro indraidray ary 40% losa ireo tsy misotro mihintsy. Miha mahery vaika arak’izany ny tahan’ny fibobohana zava-pisotro mahamamo raha ny nambaran’ireo mpivarotra izay nanontaniana. Raha mahalafo toaka miaraka amin’ny tavohangy 8 isan’andro ireo mpivarotra zava-pisotro mahamamo mialohan’ny taona 2009, efa tafiakatra ho 15 tavoahangy izany farafahakeliny 2 taona tao aorinan’izay. Misy mihitsy aza ireo tonga maraina mamonjy toera-pisotroana zava-mahamamo manodidina ny amin’ny 5 ora maraina raha ny fanadihadiana natao tamin’ireny « Bar » ireny. Misy anefa ny lalàna mifehy izany fivarotana zava-pisotro mahadomelina izany eto amin’ny firenena toa ny fandrarana ny fivarotana izany amin’ny akizy latsaky ny 18 taona, eny akalamanjana, ary aorinan’ny amin’ny 9 ora alina. Tsy vohaja anefa izany lalana izany. Vaosokajy ho manan-danja tokoa anefa ny tahan’ny fandehan’ny zava-mahamamo eo amin’ny sehatra ara-barotra eto an-toerana.
Princy Lucas
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT