Sosialy

Fiarahamonina sy fahasalamana Mitombo isa ireo zaza ôtista sy teraka tsy tonga volana


  • Alarobia 14 Desambra 2022

Tsy mijanona amin’ny rarintsaina fotsiny fa zary lasa misy fiantraikany goavana amin’ny fahasalamam-bahoaka mihitsy ny fahasahiranana iainan’ny isan-tokantrano vokatry ny hasarotan’ny fiainana ankehitriny.

Lasa mitombo izaitsizy ireo zaza teraka tsy ampy volana noho izany. Raha nanodidina ny 100 teo ho eo izany tamin’ny taona 2017 raha araka ny fanadihadiana natao dia efa mananika ny 1000 isa tamin’ity taona 2022 madiva hifarana ity. Maro ny antony mahatonga izany hoy ny mpitsabo iray. Eo ny tsy fahampian-tsakafo mahazo ireny Reny mitondra vohoka, eo ihany koa ny tahotra hanatona tobim-pahasalamana rehefa mitondra vohoka fa manao dokotera tenany raha tsy latsa-danja amin’ireo ny fisotroana sy ny fihinanana tambavy fahatany. Mbola anisan’ny antony mahatonga izany ihany koa ny fanarahana ireo karazana fomban-drazana ho an’ireo mipetraka any amin’ny faritra…Mikasika ireo zaza otista indray dia nambaran’ity mpitsabo ity fa vao tato anatin’ny roa taona izao no hita sy fantatra ireo ankizy manana izany toe-tena izany eto amintsika izay tsy mitsaha-mitombo. Mbola antony maro ihany koa no mahatonga azy ireny hoy hatrany izy raha eo amin’ny faharoa taonan’ny zaza mihoatra vao tena hita ny maha-otista azy.
Pati
Legende : Mitombo isa hatrany ireo zaza teraka tsy ampy volana manerana ny Nosy (Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT