Sosialy

Fiarahamonina Malagasy Miha manjaka ny fiolonolonana


  • Alarobia 03 Novambra 2021

Efa ela no nanairana ny sain’ny maro mikasika ity fitiavana maka sary fa tsy manana fahaterena hamonjy intsony ireo mpiara-monina aminy sendra tra-doza ity.

Na lozam-pifamoivoizana io na hain-trano, eny, tanety may mihitsy sy izay loza hafa mety mbola haha maro traboina lavitra noho ireny rehetra ireny aza dia ny mamoaka, mba tsy hilazana hoe mampidera, ireo finday raitra ananany avy amin’izao fotoana izao no lasa maha maika ny mpiara-belona. Miha manjaka amin’ny fiarahamonina Malagasy ankehitriny ny fiolonolonana, raha ny sary nanaitra ny maro tao anaty tambazotran-tserasera tao. Efa lasa mpanao gazety daholo rahateo tokoa angamba ny rehetra hatramin’izay nisian’itony tambazotran-tserasera itony izay, hoy ny vazivazy zaritenany mandeha, fa dia hita ho miha very hatrany aloha ilay hoe firaisankina sy fihavanana tsy mbola mety tafapetraka hatramin’izao ny tena izy aminy. Hita ho miha sarotra koa etsy ankilany ny asa miandry ireo tomponandraikitra sy mpanabe manoloana ny tranga toy itony saingy irariana hatrany moa mba tsy ho sanatria tara loatra ny fahatongavan-tsainan’ny tsirairay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT