Sosialy

Fiarahamonina Malagasy Lasa tahaka ny mihinam-bary ny mamono olona


  • Talata 25 Aogositra 2020

Gadra maro no tafavoaka ny fonjan` i Farafangana ny alahady lasa teo. Taorian` ny hazalambo nataon` ny mpiandry fonja sy ny mpitandro filaminana, nandriaka ny rà ka maty voatifitra ny 20 tamin`ireo.

 

 

 

“Efa nampitandrina izahay saingy tsy nisy nijanona ireo gadra. Antony nitifirana azy ireo” hoy ny fanazavan` ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Henjana ny nahita ireo sarina faty miampatrampatra eraky ny tanàna; na olon-dehibe na zaza tsy ampy taona tao an-tanàna dia samy nahita avokoa.Mbola niparitaka tamin’ny facebook avy eo ireo sary midika izany fa nahita ny rehetra.Nandeha ny adihevitra ary ny tsapa dia efa miha mafy fo ny ankamaroan’ny Malagasy ary manome rariny ny famonoana sy fanesorana aina.Satria hoe gadra nitsoaka sy olo-meloka, hono.Lasa miodinkodina be ny resaka, efa izay no sahaza an’ireny hoy ny sasany satria malaso ireny; angaha hita fa ny vahoaka no mandray andraikitra rehefa tsy hita ny manampahefana hoy ny hafa.Toa lasa efa mahazatra any anaty fiarahamonina ankehitriny ny mahita olona mitsirara amin’ny tany fa voatifitra na voafira famaky, na tapa-doha na efa misy tsy ampy ny rantsam-batana ny taovany. Efa endrika fahapotehan’ny fiarahamonina izany, hoy ny mpandinika ary efa miha tsy manam-panahy tsara intsony ny olona, sanatria efa mitovy amin’ny biby.Misy fanabeazana goavambe mila atao eto fa tsy handroso sy hivoatra mihitsy ny fiarahamonina mankasitraka fifamonoana sy herisetra izany.Ny mpitondra, mpitantana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny no mila mampiseho ohatra tsara mba handresena lahatra ny olom-pirenena hiverina amin’ny lalana tena izy.Mazava ho avy mila manao ny asany araka ny tokony ho izy ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana fa tsy ho roboka anaty kolikoly fa io no mahatonga ny olona tsy hahatoky ka hanao fitsaram-bahoaka isaky ny misy irika.Marihana anefa fa ny herisetra ihany no miteraka herisetra hany ka lasa sarotra ny fametrahana fitoniana raha hifamono am-pitoerana eto fa tsy mahita vahaolana mahomby hitandroana ny flaminana sy ny fandriampahalemana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT