Fiarahamonina efa tena marary

Vady nandeha nankalaza 8 martsa no namonoan-tena


  • Alatsinainy 11 Martsa 2024

Ahitan-javatra maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina.

Lohalaharana amin’izany ny ain’ny mpivady izay matetika hamonoan’ny sasany tena mihitsy na miara-mandeha any ankoatra izy roa. Lehilahy iray nonina tany Mananara Avaratra tany no fantatra fa maty nananton-tena tamin’ny tady rehefa tsy nahavita nandresy lahatra ny vadiny tsy hivoaka ny trano ny datin’ny 08 Marsa lasa teo. Tsy fantatra mazava anefa izay tena anton’izany na hasarotam-piaro na misy zavatra efa tsikariny fa tsy nanaiky ilay vehivavy, antony nahatongavany amin’izao fanapahan-kevitra handao ny tany izao. Olona teo an-tanana moa no nahita an’ity lehilahy ity efa tsy nisy fofon’aina intsony ary nitsirara tamin’ny tany tao an-tokantrano ka niantso ny manam-pahefana. Tsiahivina fa voararan’ny lalana ny famonoan-tena. Amin’ny maha-Kristianina ihany koa dia voararan’ny Baiboly ny fanaovana izany koa tsy misy vahaolana afa-tsy ny fifampiresahan’ny mpivady ihany arahin’ny fanankinana ny fiainana amin’Andriamanitra.
Pati
Legende : Efa maty tahaka izao ilay lehilahy vao nisy nahita !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT