Sosialy

Fiarahamonim-pirenena Tsy tongatonga ho azy herisetra miseho lany eto


  • Alakamisy 27 Aogositra 2020

Tsy matin’ireo fiarahamonim-pirenena hatramin’izao mihitsy ny fahavakisan’ny fonja tao Farafangana ny alahady 23 aogositra teo.

 

Namoaka antontan’isa moa ry zareo PFNOSCM/Voifiraisana fa tamin’ireo gadra miisa 88 nitsoaka dia 22 hatreto no fantatra fa maty. 40 mahery no tratra. 8 maratra mafy. Tsy tongatonga ho azy, hoy ity fiarahamonim-pirenena ity, ireny herisetra miseho lany eto Madagasikara ireny fa vokatry ny zava-misy iainana ara-toekarena sy sosialy izay vao mainka nanery ny fahafahan’ny tsirairay tao anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana izao. Mety isan’ireo valin’ny herisetra ara-drafitra nifanesy nitranga tato ho ato ireny, hoy hatrany izy ireo. Manjaka ny didin’ny be sandry amina fiarahamonina sasantsasany. Tsy mino ny fahamarinana, ny rariny sy ny hitsiny, ny tsy fanavakavahana intsony ny fiarahamonina. Mahatsiaro tena ho araraotina ireo vahoaka, hoy hatrany ny fanambaran’izy ireo ary voafafa tanteraka ny fiandrianam-bahoaka. Tsy mangarahara ny fitantanana ny krizy ara-pahasalamana. Nandeha ny fananganana “colisée” saingy tsy najaina ny lalana momba ny tsenam-barom-panjakana. Teo koa ny fividianana “bonbons sucettes” 8 miliara ariary, ny fividianana kojakoja informatika 216 miliara ariary ho an’ny CCO, voatazona tamin’ny toerana ny minisitra tompon’andraikitra tamin’izany, raha toa ka nesorina ny minisitra tena nilofo tamin’ny famonjena aim-bahoaka. Taratry ny tsy fankatoavana izany rehetra izany, hoy izy ireo, ny zava-nitranga tao Farafangana ka tokony hisarika ny rehetra ho any amin’ny fanovana.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT