Sosialy

Fiaraha-mientan’ny mpiasam-panjakana Malagasy Miandry ny fanatsarana ny karamany


  • Talata 02 Aprily 2019

23 taona no efa nanomezan’ny fiaraha-mientan’ny mpiasam-panjakana Malagasy na F3M soso-kevitra ny amin’ny mba hijerena ny tontolon’ny karaman’ny mpiasa eto Madagasikara, hoy ny filohany, Florentin Ramamonjisoa.

 

 

 

 Jereo ny mari-karama, ny tambin-karama isan-karazany toy ny resaka fonenana, izay resaka tambin-karama rehetra ary ny fomba fanakaramana ny mpiasam-panjakana mihitsy. Tamin’ny andron’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izahay nanome tolo-kevitra ny amin’ny hitadiavana vahaolana hampitomboana ny lanjan’ny volan’ny Malagasy kanjo ny mifanohitra amin’izay no nitranga. Tonga ny 20.000 ariary tokana, hoy ity mpiasam-panjakana ity. Nihen-danja ny vola Malagasy. Tonga indray io ny filoha Andry Rajoelina. Nilaza koa izy fa hanamboatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Tsy sanatria fandrahonana, hoy hatrany ny tenany, fa raha te hitondra fanjakana maharitra dia jereo ny mpiasa. Rehefa milamina ny karaman’ny mpiasa dia mandroso ny firenena, hoy ny namaranany ny teniny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT