Sosialy

Fiaraha-miasan’ny GFEM sy ny AFHAM Vehivavy manana fahasembanana efatra no efa nahita asa


  • Alarobia 21 Aogositra 2019

Efa manomboka migoka ny tombontsoa azo avy amin’ny fiaraha-miasa tamin’ny fivondronan’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara na ny GFEM ireo vehivavy manana fahasembanana mivondrona ao anatin’ny AFHAM.

 

 

 

 

 Raha araka ny fanazavan-dRazafinjato Fela, filoha nasionalin’ny AFHAM mantsy dia  mahatratra efatra hatreto ireo vehivavy manana fahasembanana efa noraisin’izy ireo hiasa ao aminy. Ny iray amin’ireo dia femme de menage. Ny roa kosa « opératrice de saisie » ary  miasa amina orinasa iray miantsehatra ny fampivelarana ny maha olona sy ny serasera ny iray ambiny.  Hanampy betsaka ireo vehivavy manana fahasembanana hisitraka feno ny zony hiasa ny fisian’ny fifanampiana tahaka izao ankoatra ny fanafoanana miandalana ny fanilikilihana mety hahazo azy ireny eny anivon’ny fiarahamonina. Mikasika ilay hetsika fanentanana momba ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy manana fahasembanana notanterahin’ny AFHAM nandritra ny volana vitsivitsy moa dia fantatra fa  fahombiazana tanteraka no azon’izy ireo tamin’ny tanàna nolalovany, tafita ny hafatra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT