Sosialy

Fiaraha-miasan’ny CNaPS sy Fanilo FLM Toamasina Manentana ny mpino hanana fiahiana ara-tsosialy


  • Zoma 28 Septambra 2018

Fanindroany izao no nandray atrikasa fiofanana karakarain’ny CNaPS (na ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy) ny synodam-paritany Toamasina.

 

 Ny voalohany dia tsy tontosa hatramin’ny farany fa ravan’ny rivodoza tamin’ny fiandohan’ity taona ity. Tamin’ity kosa dia 50 mahery no tonga nanatrika ny fiofanana izay nahitana pastora sy loholona ary filohan’ny komitim-pitantanana isan’ambaratongany eo anivon’ny FLM avy amina synodam-paritany telo dia i Toamasina, Nosivola ary Alaotra. Notanterahina tao amin’ny fiangonana FLM Morarano Toamasina ny talata 25 sy ny alarobia 26 septambra lasa teo ny hetsika. Tanjon’ny fiofanana tany Toamasina ny fanentanana ireo mpanao raharaham-piangonana amin’ny maha zava-dehibe ny fiahiana ara-tsosialy atolotry ny CNaPS ireo mpikambana ao aminy, izay sady zo fototra tokony hositrahan’ny mpiasa tsirairay mihary amin’ny sehatra tsy miankina ka toy ny mpiasam-piangonana. Ramatoa Tsaboto Joslina, Mpandrindra ny tendro sy ny masoivoho CNaPS foibe no nitarika ireo iraky ny CNaPS, nampian’ny avy ao Toamasina notarihin’ny talen’ny masoivoho Ramparany Voahangy. Nifantoka tamin’ny fampahafantarana ny didy aman-dalàna mifehy ny asa sy ny lalàna sosialy, ary ny karazana fifanarahana arak’asa, ny andraikitry ny CNaPS ny fitsinjarana ny latsakemboka ny fiofanana. Nampahafantarina tamin’ny antsipirihany ihany koa ny tolotra omen’ny Tahirim-pirenena toy ny fiahiana ny fianakiavana, ny tra-doza na marary vokatry ny asa ary ny fisotroan-dronono. Mbola maro  tokoa mantsy ireo mpino kristianina eo anivon’ny fiangonana FLM no tsy misitraka ny fiahiana ara-tsosialy. Tsy afaka ny hikipy fotsiny anefa ny fiangonana manoloana ny tranga satria manana andraikitra goavana. Ny mpandray anjara rehetra eto amin’ity atrikasa ity dia manana adidy amin’ny famahana olana eny amin’ny fiangonana amin’ny fanentanana ny rehetra mba hisitraka ny zony eny anivon’ny CNaPS. Izay lalàm-panjakana dia tokony ho ny fiangonana no hanaja izany voalohany. hoy Rasamimanana Alfred, mpandrindra nasionaly amin’ny fampandrosoana anivon’ny Loterianina (na Fanilo).

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT