Sosialy

Fiaraha-miasan’ny BAD sy ny BNGRC Mitotaly 4 miliara Ariary ireo fitaovana nomena


  • Alarobia 30 Oktobra 2019

Mitentina 4 Miliara Ariary ireo fitaovana natolotry ny Banky iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (BAD) ho an’ny Birao Nasionalin’ny Fitantanana ny Loza Ara-boajanahary (BNGRC) izay omena ireo faritra 6 lasibatra ny loza :

 

 

 Analamanga, Analanjirofo, Menabe, Sofia, Atsimo Andrefana ary Vatovavy Fitovinany. Nohamafisin’ny Sekretera mpanatanteraky ny BNGRC fa tena ilaina ireo fitaovana natolotry ny BAD ireo izay hapetraka amin’ny governora isam-paritra ny fitantanana azy hiarahany miasa amin’ny teknisianina momba ny fifehezana ny loza. Ny fiantraikan’ny loza voajanahary toy ny rivodoza izay miteraka fandravan’ny tanàna no isan’ny mampihemotra sy mahataraiky ary mahatratra farany mihitsy ireo faritra izay lasibatra matetika. Tafiditra anatin’ny fametrahana ny fandaharan’asa ho fanohanana sy fanatsarana ny paik’ady mahomby sy maharitra hampidinana ny fiantraikan’ny loza eto Madagasikara izao fiaraha-miasa izao. Mandavan-taona ny fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza, hoy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian nandritra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana entina manamora ny famonjena ny traboina ireo

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT