Sosialy

FIARA TSY MIPETRAKA AMIN’NY “PARKING” 6 isan’andro no tratry ny Easy Park


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2019

Enina isan’andro ireo fiara tratran’ny Easy park tsy mipetraka amin’ny toerana tokony hijanonany eto an-drenivohitra, antony miteraka fitohanana etsy sy eroa sy ny tsy fahafahan’ny mpandeha an-tongotra mampiasa ny lalana sahaza azy.

 

 Tamin’ny sabotsy maraina  teo fotsiny, ohatra, dia tafakatra dimy izy ireo, sarona teny Behoririka sy ny manodidina ka voatery nametahana ilay fitaovana sy hahafahan’ny fiara mihetsika aloha. Raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra dia ireo fiara tsy manara-dalàna tahaka izany no tena voakasika miampy ireo tsy nahaloa ny lamandy tokony haloan’ny tompony ao anatin’ny 45 andro. Tanjon’ity sampandraharaha iray ity moa ny hanamorana  ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra, indrindra amin’izao fotoam-pialan-tsasatra lehibe izao izay mahabetsaka ny olona mivezivezy. Tsiahivina moa fa eny Behoririka, Tsiazotafo, Ambodifilao, Analakely… no toerana hiasan’ny Easy Park hatreto.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT