Sosialy

Fiantsonana fasan’ny Karana Mirongatra ny sinto-mahery


  • Alakamisy 05 Septambra 2019

Mahazo vahana ny mpanendaka amin’ny faritra manodidina ny fiantsonan’ny taksibrosy miankandrefana sy ny lalam-pirenena faha-7. Maro ireo olona velon-taraina tamin’ny zoma vao maraina be teo.

 

 

Saika voafehin’ny manampahefana mantsy ireo toeram-piantsonana taksibrosy an-tsokosoko eny Anosy sy Akadimbahoaka ary Andoharanofotsy ka voatery mihazo ny Fasan’ny Karana ireo mpandeha. Mifanaretsaka ireto farany amin’izao vanim-potoanan’ny fialantsasatra sy ny fety aman-danonana izao, na vao amin’ny 3 ora maraina aza.Ny amin’ny alina indray mba afaka  miala taksibrosy eny amoron-dalana ireo mpandeha fa ny fakana izany maraina no hararaotin’ireo tsy mataho-tody. Mitombo isa toy ny mpamonjy taksibrosy koa ireo mpanendaka. Matetika eo amin’ny fialana taksibe mialoha ny hidirana an’ny Fasan’ny Karana avy aty Anosizato na Ankadimbahoaka no itobian’izy ireo izay mifanosona amin’ireo mpanera. Misy koa anefa ireo miandry ankodimirana amin’ny fidirana ny fiantsonana na any anelanelan’ny fiara mpitatitra any.

Zava-maranitra

Ny poketra sy ny finday no tena hazain’ireto tontakely ireto ka rehefa azony dia mitsoaka izy ireo na misy mandrahona sy manambana zava-maranitra mihitsy. Marihina fa tsy mbola nisy mpitandro filaminana teny amin’ny faritra tamin’ny fotoana nandalovan’ny mpanao gazetinay. Miandrandra ireo mpitandro filaminana ny mpandeha mba hijery akaiky ity toe-draharaha ity, indrindra amin’izao mahabe mpandeha izao.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT