Sosialy

Fiantraikan’ny rivodoza Nitondra fanampiana mitentina 100 000 dolara i Etazonia


  • Alarobia 16 Febroary 2022

Nanomboka ny iray amin’ireo lahasa kasainy hatao hanampiana ireo niharam-boina tamin’ny ny rivodoza Batsirai ny Sampan-draharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID),

 amin’ny anaran’ny vahoaka Amerikana. Manolotra famatsiam-bola ho an’ny fikambanana tsy miankina CARE ny USAID mba hanomezana trano fonenana vonjimaika, rano fisotro madio sy kojakoja ilaina ao an-tokantrano toy ny vilany, koveta ary fitaovana fidiovana ho an’ireo traboina miisa 1.500 mipetraka any amin’ny toby fialofana ny Amerikana. “Mifampitondra toy ny mpirahalahy mianala i Etazonia sy i Madagasikara, amin’ny sarotra sy amin’ny soa”, hoy ny Mpiandraiki-draharaha amerikana Amy Hyatt. “Miombona alahelo amin’ireo namoy havana sy rava fananana vokatry ny rivodoza Batsirai izahay. Ity fandraisana anjara mitentina 100.000 dolara ity dia santatra am-bavarano ihany amin’ireo lahasa kasain’ny USAID hatao hanampiana ireo mponina tratry ny rivo-doza amin’ny fanarenana sy ny fanorenana”, hoy hatrany izy. Hanome fialofana sy kojakoja isan-tokantrano toy ny vilany, kaseroly, sô, sy fitaovana maro hafa ho an'ireo izay rava trano, ary koa toerana azo honenana sy fitaovana azo ampiasaina mandra-panorina trano maharitra kokoa i Etazonia.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT