Sosialy

Fiankinan-doha amin’ny vary Mila manovaova ny sakafony ny Malagasy


  • Alatsinainy 25 Janoary 2021

Tonga ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina ny vary 7000 taonina, izay

 

 

 

halefa any amin’ny tsena eny amin’ny fokontany, ary hamidy 500Ar, raha ny nambaran’ny Filoham-pirenena. Tao anatin’ny kabary momba ny fidin-jiro no nilazany, fa sahirana ny vahoaka ary ny kilasy antoniny mihitsy no efa tratran’izany. Midika io, fa tsapan’ny mpitondra izany ny fahasahiranana sy fijalian’ny ambanilanitra. Tena mifanaraka amin’izany ve ny politikam-panjakana entina amin’izao fotoana izao? Ampy ve ny fanafarana ara-bary izay manodidina ny 500 000 taonina isan-taona eo no ilaina? Ampy sy mahomby ve ny fanomezan-danja ny famokarana ato anatiny? Tena sarotra ho an’ny Fanjakana ny hiantsoroka tanteraka izany. Marina fa efa tena raiki-tampisaka amin’ny Malagasy ny hoe: “tsy maintsy mihinam-bary” amin’ny maha foto-tsakafontsika azy io. Mila mijery lavitra kokoa isika, mila mivelatra kokoa hoe: inona no mety ho azo hasolo na hanampiana ny vary? Sao dia tokony homena vahana kokoa ny resaka paty, katsaka, apemba,… Tsy dia hoe tena ambony rahateo ny otrik’aina entin’ny vary, izay azo soloina zavatra hafa. Ny Filoham-pirenena Malagasy no nanome toky nandritra ny fitokanana ilay ozinina mpamokatra lafarinina LMOI tany Toamasina ny 18 novambra 2020, fa afaka hampihenana 15% ny vidin’ny lafarinina eto Madagasikara ny fisian’io izay mamokatra 500 taonina isan’andro ary mety ho tafiakatra 1200 taonina. Efa miantraika ve izany izany izao satria tamin’io no efa naseho ny vokatra? Isan’ny fanambin’ny Fitondram-panjakana rahateo ny hiezaka hamokatra ny filàn’ny Malagasy ato anatiny. Mifanohitra tanteraka amin’izany fanafarana vary sy ireo entana ilaina andavanandro ka tokony hirona amin’ny fihezahana hampitombo ny ato anatiny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT