Fiangonana MRE

Mizara fanampiana hoan’ireo niangaran’ny vintana


  • Talata 19 Desambra 2023

Hanao tohivakana mandritra ity herinandro vaovao mialohan’ny hankalazana ny

fetin’ny Noely ity ny fijerena ireo niangaran’ny vintana eto an-drenivohitra. Lohalaharana amin’ireny ireo kamboty sy ireo mananontena mba hahatanteraka ilay teny filamatra manao hoe : fetin’ny Noely, fotoan’ny fifampizarana. Samy manana ny fandaharam-potoanany avokoa ireo karazana fikambanana sy kaominina ary fiangonana hanatontosa izany. Ho an’ny fiangonana MRE manokana izay manana ny toeram-piasany etsy Antaninandro dia fantatra fa mbola mitohy amin’ity herinandro ity ny fandraisana ireo kilalao na fanampiana avy amin’ireo nahatsiaro ho notahian’Andriamanitra omena ireny niangaran’ny vintana ireny. Tsy hanavahana finoana izany fa raisina avokoa izay rehetra vonona. Amin’ny Sabotsy 23 Desambra ho avy izao kosa aorian’ny fotoam-bavaka amin’ny 02 ora folakandro no hidina eny an-dalambe hizara izany fanampiana izany izy ireo ka ho an’ireo Reny mananontena dia hisy ny valopy manokana natokana ho azy ireny raha kilalao kosa ny an’ireo kilonga madinika. Izany no hatao moa dia hahatanteraka ilay voasoratra ao amin’ny Baiboly manao hoe : Izay hataonareo amin’ireny madinika ireny dia mba hataonareo Amiko ihany koa hoy Jesosy.
Pati
Legende : Tsy ho diso anjara ny ety ambany tonelina Analakely ety !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT