Nidina ifotony nijery ny zava-misy tao amin’ny tohodranon’Antarabiby
Fianarantsoa ny ekipan'ny Minisiteran’ny Tontolo iainana notarihin’ny Minisitra Baomiavotse Vahinala Raharinirina, ny Sefo Distrikan'ny Lalangina, ny solontenan'ny OMC, ny JIRAMA ary ny orinasa LSB, rehefa avy nanao ny fitsirihana avy eny anabakabaka andro vitsivitsy izay. Efa nametraka vahaolana maika amin'ny alalan'ny “pompage” ny Governora n'i Faritra Matsiatra Ambony, taorian’ny fifandinihana tamin'ny DREAH sy ny JIRAMA. Hisy ihany koa ny fanadiovana sy fanesorana ireo fotaka marobe tazana eo amin'ny tohadrano mba hampitombo ny fahafahana mitazona ny Rano rehefa ho tonga ny orana. Ahiana ho ritra tanteraka ny tohodrano raha tsy misy rotsa-korana ao anatin’ny andro vitsy. Mamerina hatrany izahay eto amin'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy fa vidian-dafo ankehitriny ny famotehana ny ala sy ny dorotanety an-taonany maro. Manampy trotraka ny fiovan'ny toetrandro, miteraka tsy fisian'orana anaty fotoana lava dia lava, hoy ny Minisitra. Efa 3700 ha sisa ny toerana fampiroboroboana ny ala hany voakolo, raha 30.000 ha izany fahiny. Ary isaorana ny LSB amin'ny modelim-pitantanana maharitra apetrany no sady manome velontena hoan'olona 350 eto Fianarantsoa. Sahandriaka maro koa no potika tanteraka satria nohajariana. Tsy maintsy manarina ny simba isika no manohy mampianatra ny mahazavadehibe ny fiarovana ny ala sy ny sahandriaka. Averina ampahafantarina koa ny lalàna mifehy ny ala ary ho mafimafy ny fisafoana sy fanasaziana iarahan'ny DREDD sy ny OMC.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.