Sosialy

Fianarana any ivelany Firenena 4 no tena mahaliana ireo tanora Malagasy


  • Zoma 15 Novambra 2019

Tena mahaliana ny tanora Malagasy, indrindra ireo vao afa-panadinana Bakalôrea ny hanohy fianarana any ivelany.

 

 

 

Hatreto raha araka ny fanadihadiana natao dia firenena  telo no tena mahaliana azy ireo dia i Kanada, Etazonia, Alemana ary ny  Nosy rahavavy Maorisy.  Hianatra momba ny business no tena mahaliana ireo ankizy saingy mitaky fahaizana sy fahafehezana ny tenim-pirenena vahiny kosa izany miankina amin’ilay firenena handehanana. Mba ho fanomezana fahafaham-po azy ireny ary dia manatanteraka hetsika antsoina hoe : “global expo special” etsy amin’ny hotel Carlton ny Faneducation agency nanomboka omaly. Haharitra roa andro izany ka anisan’ny tanjona ny hanampiana ireo ankizy liana te-hanohy fianarana any ivelany, manomboka amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasiny ka hatramin’ny fifanentanany ireo oniversite lehibe tiany hianarana. Tsiahivina moa  fa ankoatra ireo oniversite lehibe toy ny any Amerika, Eoropa, dia anisan’ny vaovaobe azon’ireo mpianatra  Malagasy handehanana ihany koa izao ny any Azia sy Afrika. Mikasika ny vola omanina sy ilaina indray dia miankina amin’ilay sekoly ambony sy ny firenena handehanana izany.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT