Sosialy

Fianakavian’ireo namoy ny ainy teny Tsimialonjafy Tsy nanadino azy ireo ny kaominina Antananarivo Renivohitra


  • Alarobia 23 Janoary 2019

Tsy namela irery ireo traboina sy mana-manjo vokatry ny fihotsahan’ny tany teny Tsimialonjafy ny kaominina Antananarivo Renivohitra tarihin’ ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana.

 

Tonga  nitsapa alahelo ny fianakaviana sady nitondra ny solon-dandy ho an’ny maty izy ireo omaly  sady  nitondra  fanampiana  ihany koa. Anisan’ireny ny fotsimbary, ny menaka  ary kojakojan-dakozia  maro samihafa natolotra ireo traboina. Nampanantena Ramatoa Ben’ny tanàna fa hisy ny fijerena akaiky ireo traboina, indrindra fa amin’ny lafiny sosialy. Nisy  ihany koa toromarika nomeny ireo tompon’andraikitra  mba hakana haingana ireo ranon-tany sy vato ahiana hamono olona indray.Mbola maro mantsy  ireo toerana tandindonin-doza sy ahiana mbola hihotsaka eny an-toerana.  Misy anefa ireo olona   tsy nandao ny trano fonenany, ka anaovan’ny tompon’andraikitra antso  ny hifindran’izy ireny haingana, indrindra amin’izao fotoana  mahabetsaka ny rotsak’orana eto an-drenivohitra izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT