Sosialy

Fianakaviana tsy manan-kialofana Olona 338 nalefa eny Anosizato


  • Alarobia 25 Martsa 2020

Nangonina ireo fianakaviana tsy manan-kialofana teto an-drenivohitra, ny teny ambany tonelina, ny tamin’ny sisin-dalana, ny ambany tetezana… ary miisa 338 izy ireo natoby eny amin’ny Centre Social Anosizato izay toerana an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Nifarimbona ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra nametraka ireo fianakaviana ireo amin'ny toerana milamina, azo antoka ary ahafahana manome sakafo azy ireo sy hanomezana azy ireo ny fiahiana ara- tsosialy sy fanofanana mendrika azy ireo, fa indrindra ho fisorohana ny fihanaky ny valan’aretina coronavirus misy amin'izao fotoana. Ezahin'ny Minisiteran'ny Mponina miaraka amin'ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny hanome sakafo sy fanampiana ho an'ireto fianakaviana napetraka eto amin'ny centre fanantenana Anosizato ireto. Izany no atao dia ho fampihenana ny mety ho fivezivezena ao anatin'izao fotoana iadiana amin'ny Coronavirus izao. Omaly maraina dia efa natomboka ny fanadihadiana (enquête sociale) ahafantarana ny momba ireo fianakaviana ireo, ny antony nahatonga azy mbola eny andalana na dia efa nisy aza ny fandrarana ny fivezivezena manomboka amin'ny 8ora alina hatramin'ny 5ora maraina.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT