Sosialy

Fianakaviana saika hamadika Razana iray sisa hita tao am-pasana


  • Talata 27 Aogositra 2019

Mirongatra ny vaky fasana eto amintsika. Fasana iray indray no lasibatr’ireo mpanao ratsy tao Ambohimiarivo, kaominina ambanivohitra Andranomanelatra, distrikan’Antsirabe II ny alatsinainy 19 aogositra lasa teo.

 Fianakaviana  handeha hamoha fasana tamin’io andro io, nikasa hanatanteraka famadihan-drazana  no nahita ny zava-nitranga ka ankona tanteraka.  Razana lena iray vao nalevina fotoana vitsy sy karandoha sisa no hitan’izy ireo  tao am-pasana fa lasan’ireo tsy mataho-tody avokoa ny ambiny. Niparitaka tao am-pasana ny lamban-drazana ary mbola narahan’ireo jiolahy hafatra fa « Asakasak’izay tsy hanao fa 70.000 Ar ny kilao ». Fasana somary mitokana ao an-tendrombohitr’Ankarana  ity  lasibatra ity.  Efa nampandre ny mpitandro ny filaminana ireo tompom-pasana raha ny fantatra hatrany.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT