Sosialy

Fianakaviana Ravalomanana Nanolotra fanampiana ho an’ny Akany Avoko


  • Alarobia 19 Aogositra 2020

Nanolotra fanampiana ho an'ireo ankizy beazina ao amin'ny Akany AVOKO Faravohitra ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany omaly 18 aogostra 2020.

 

 

 

 Vary tamin' ny gony maro, menaka miisa 6 bidons lehibe, gel hydroalcoolique, classiko sy yaourt TIKO, ary dibera Marna Gold amin' ny baoritra. Ny tanjona dia ny fanampiana sy ny hanamaivanana ny fahasahiranan'ny ankany amin'izao fahamehana ara-pahasalamana izao. Nisaotra sy nankasitraka ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany tamin' ny hafaliana tanteraka ireo mpiandraikitra sy ny ankizy tao amin' ny Akany Avoko izay tsy nanampo izao fanomezana tampoka izao. Zava-dehibe ny fihetsika tahaka izao, izay azon’ireo rehetra manana fahafahana manao izany atao, izay aterina mivantana any amin’ireo olona sahirana, raha misy ohatra ny tsy fahatokisana ny rafitra natao handray sy hitsinjara ny fanampiana. Hevitra mety ihany koa ny hoe: any amin’ny mpandrahara sy mpamokatra Malagasy no hividianan’ny fanjakana ireny fanampiana zaraina ireny, izay sady famelomana ny orinasa Malagasy no fitsinjovana ny marefo ihany koa.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT