Sosialy

Fianakaviana mpatory an-dalana Manomboka hafindra toerana tsikelikely


  • Alatsinainy 04 Mey 2020

Manomboka tsimoramora ny famindran-toerana ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana natoby amina toerana vitsivitsy eto an-drenivohitra nandritra ny fihobohana toy ny teny amin’ny EPP Nanisana.

 

Nafindra eny amin’ny akany Fialofana « Ex- Madcap » Isotry ohatra ireto farany izany miisa 325. Omaly alahady 03 May no nanatanterahana izany. Ny mba hahafahana miatrika amim-pilaminana ny fidiran’ireo mpianatra eo anivon’ny Epp Nanisana no anton’izany. Taorian’ny fialan’ireo fianakaviana sahirana teny an-toerana moa dia nanatanteraka fanadiovana ny sekoly ny avy hatrany ao amin’ny sampana mpamonjy voina. Ankoatra ny fanadiovana tsotra mahazatra dia nisy ihany koa ny famendrahana ranom-panafody famonoana bibikely sy mikraoba. Tsiahivina moa fa toerana fametrahana olona sahirana efa nosahanin’ny Ministeran’ny mponina hatramin’izay ny Madcap etsy Isotry. Matory fotsiny ireo olona sahirana no mipetraka ao fa tsy maintsy mivoaka mitady ny sakafo hohaniny kosa. Ankoatra izay dia manadio ny toerana avy natoriany izy ireo vao afaka mivoaka isan’andro ho fitandroana ny fahasalamana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT