Sosialy

Fialantsasatra Mbola manintona olona ny maro i Mahajanga


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Toerana fandraisam-bahiny 30 isan-taona no mitsangana any Mahajanga noho ny fahamaroan’ny mpizahatany tonga any.

Teratany Malagasy ny ankamaroan’ny mpitsidika, indrindra rehefa vanimpotoanan’ny fialantsasatra tahaka izao. I Mahajanga rahateo koa moa no mitana ny laharana voalohany amin’ny toerana be mpitsidika indrindra eto Madagasikara ary tena mahavantana ny mpiala sasatra. Olana hatrany ny tsy fahampian’ny fiomanana  sy ny fotodrafitrasa mialoha ny fandraisana ireo mpizahatany tonga maro. Manodifina ny 2 hetsy isan-taona anefa izy ireny no tonga mitsidika ny tanànan’i Mahajanga rehefa vanim-potoanan’ny fialantsasatra tahaka izao. Misy  ny hetsika maro isan-karazany tahaka ny rallye de Boeny sy ireo kilalao maro be ankoatra ny morontsiraka. Tokony hisy fandraisana andraikitra mialoha satria tsy vitan’ny miteraka fampandrosoana eny ifotony izany fa misy akony amin’ny toekarena ankapobeny mihitsy.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT