Sosialy

Fialan’ireo mpiasan’ny Tsaradia Mila mailo ireo mpiasa, hoy ny Randrana sendikaly


  • Alarobia 02 Febroary 2022

Ny 14 oktobra 2021 no nanao fangatahana na “requête” ny orinasa Tsaradia mikasika ny zava-misy teny anivon’ny tribonaly misahana varotra,

hoy ny avy eo anivon’ny Randrana sendikaly omaly. Raha mijery ity didy ity isika dia tamin’ny nisy fivoariambe teo amin’ny filankevim-pitantanana ny orinasam-pitaterana ana habakabaka Tsaradia dia fantatsika tsara hoe ny 17 janoary 2018 no nitsanganan’ny Tsaradia, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Tamin’izay fotoana izay dia 10 tapitrisa ariary no petrabolan’ny orinasa. Nisy fivoriambe indray ny 6 aogositra 2021 dia nakarina 12 miliara ariary ilay petrabola. Ny 19 oktobra dia lasa nanatsahatra fandoavam-bola sahady ny orinasa na nanao “cessation de payement ». Toy ny somary hafahafa ihany izany. Voasoratra ato koa moa hoe misy trosa be dia be ananan’ny rehetra amin’ny Tsaradia izay hatrany amin’ny 79 miliara ariary. Namoaka ity didy ity moa ny tribonaly misahana ny varotra mikasika ilay resaka “cessation de payement ». Fanampin’izay dia namoaka didy ny tribonaly hoe hanao famerenana azy anaty lalana na “redressement judiciaire”. Ny lalana 2003-042 no miasa. Io ilay mikasika ny dingana iraisana na “procedure collectif”. Voasoratra ao koa fa anatin’izay “redressement judiciaire” izay dia misy ny fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisin-drizareo tanatin’ity didy ity ihany. Lasa «location gérance » ny Tsaradia. Ny « Next Air Mad » no manao izany. Ny henontsika taloha anefa dia hoe ny Air Mad sy ny Tsaradia dia ho foana sy ovaina Madagascar Airlines. “En gestation”, hoy ity didy ity, ny Madagascar Airlines, izay ho kaompania resaka varotra fotsiny ary mbola hiforona. Ny antsika moa ny momba ny mpiasa no jerena. Mitaky ny taratasy foana ny Tsaradia sy ny mpiasa fa tsy nomena raha tsy nanao hetsika izahay. Isaorana ny minisiteran’ny asa nanao fanelanelanana tamin’ny fihaonanay ny 21 janoary teo dia ny sendika SVS, Randrana sendikaly, mpitantana ny Tsaradia. Vita ny fitanana an-tsoratra na PV. Tokony hisy ny fijerena ny fahaizan’ireo mpiasa izay tsy hiala an-tsitrapo, raha ny fifanarahana iombonana na “convetion collective”. Resaka fandroahana ekonomika araka ilay 2003-042 sy 113-114 eo no resaka. Tsy maintsy hifampidihina mifanaraka amin’ny fifanarahana iombonana, noho izany, ny fialantsika mpiasa kanefa mila mailo isika mikasika ny fanatanterahana izany, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Legende: Ny sekretera jeneralin’ny Randrana Sendikaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT