FIAKARAN’NY VIDIN’NY ATODY

Nitarika fiakaran’ny vidin-tsakafo maro


  • Alarobia 22 Mey 2024

Nahitana fiakarany 100 Ar isanisany ny vidin’ny atody eny an-tsena nanomboka tamin’ny faran’ny

herinandro teo nankalazana ny fetin’ny Pentekosta. Raha 700 Ar izany teo aloha dia lasa 800 Ar raha efa misy mahatratra 850 Ar ny an’ny sasany. Raha araka ny fanazavan’ireo mpivarotra dia hatrany am-potony mihitsy no mampiakatra ny vidin’ny atody noho ny halafosan’ny vidin’ny provandy hamahanana ny akoho. Eo an-daniny anefa dia maromaro ihany ireo mpivarotra hita sy tazana nampiakatra vidin’entana noho ny fahatongavan’ny fety. Tsy nampidininy toy ny teo aloha intsony izany nanomboka omaly talata 21 May fa notazoniny, antony manosika ireo mpivarotra mofomany…hampiakatra ny vidin’ny entana hamidiny ihany koa. Raha 600 Ar ohatra mbola nahazo compose teo aloha dia efa lasa 800 na 1.000 Ar izany amin’izao....Lasa niakatra ho 5000 Ar ihany koa ny didin’ny mofomamy iray mba tsaratsara raha 4500 Ar teo aloha.
Pati
Legende : Nisy nahatratra 900 Ar ny atody omaly Alatsinainy teny an-tsena !

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT